Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Dren Atsimo Atsinanana : mpampianatra Fram 450 lasa mpiasam-panjakana

Dren Atsimo Atsinanana : mpampianatra Fram 450 lasa mpiasam-panjakana

Efa vita ny lisitr’ireo mpampianatra Fram horaisina ho mpiasam-panjakana 450 ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana (Dren) Atsimo Atsinanana. Tontosa ny 23-27 febroary lasa teo ny fidinana ifotony nataon’ny mpiahy manokana ny faritra, Tsitoara Thierry Serge, izay sady tomponandraikitry ny teknojlojia vaovao ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Tafiditra ao anatin’ny Dren voakasika ny Cisco Midongy Atsimo, Befotaka Atsimo, Vangaindrano, Farafangana ary Vondrozo. Araka ny fenitra vaovao handraisana ny mpampianatra Fram ho mpiasam-panjakana, atao ampahibemaso ny fisafidianana azy ireo. Manatrika eo ny lehiben’ny distrika, ny mpikambana amin’ny sendikàn’ny fanabeazana misy any an-toerana, sy ny olobe ao an-tanàna. Afaka manao fanakianana avy hatrany ny mpampianatra nahatsapa fa nahafeno fepetra nefa tsy ao anaty lisitra ny anarany. Eo rahateo ny mpanara-maso samihafa afaka manaporofo.

Ho an’ny Cisco Befotaka Atsimo, voaray mpiasam-panjakana avokoa ny mpampianatra Fram rehetra ho an’ity taona ity. 87 no noraisiny ary efa vita ny lisitra misy ny anaran’izy ireo. Tao Midongy Atsimo, 87 koa ny mpampianatra tafiditra ho mpiasam-panjakana, raha 94 ho an’ny Vangaindrano. 95 ny mpampianatra lasa mpiasam-panjakana ho an’i Farafangana ary 87 ao Vondrozo. Nandritra ny diany tany amin’ny Dren Atsimo Atsinanana, nomena ny mpampianatra mpiasam-panjakana voaray ny taona 2015 ny fifanarahana asa vaovao ho azy ireo izay nahatratra 490.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.