Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambohikambana – RN 2 : kamiaobe roa nifandona, mpamily iray nianjeran’ny kaontenera

Ambohikambana – RN 2 : kamiaobe roa nifandona, mpamily iray nianjeran’ny kaontenera

 Naharitra adiny roa mahery no nisokirana ny mpamilin’ilay kamiaobe iray notsindrian’ny kaontenera nentin’ny kamiaobe iray izay nifandona tao Ambohikambana Beforona, afakomaly…

 Naratra mafy ny mpamilin’ilay kamiaobe iray nianjeran’ny kaontenera vokatry ny fifandonan’ny kamiaobe roa tao amin’ny toerana antsoina hoe Ambohikambana, 7 km miala an’i Beforona – RN2 afakomaly alina. Araka ny fanazavana, voaray nifandona tao anaty fiolahana ireto kamiaobe ireto. Ny iray hiakatra aty an-drenivohitra raha hidina hihazo an’i Toamasina kosa ilay kamiaobe iray. Voalaza fa samy nandeha mafy ireto fiarabe ireto, saingy samy tsy nahafehy ny familiana ny mpamily rehefa niditra ny fiolahana. Mafy ny fifandonana satria nitongilana nianjera tamin’ilay fiarabe nifandona taminy ny kaontenera nentin’ilay kamiaobe iray. Tsy afa-niala intsony, araka izany, ny mpamilin’ilay kamiaobe ka voatsindry avy hatrany ny lohan’ity kamiaobe ity. Vokany, tapaka ny tongotr’ilay mpamily raha ny fanazavan’ireo olona nifanome tanana tamin’ny fisokirana azy tao anaty korontambin’ny fiara. Nitohana tsy nisy toy izany ny  fiara satria voabahana ny lalana. Na ireo fiara hihazo aty an-drenivohitra na ireo hidina hihazo an’i Toamasina, tafahitsoka teo amin’ity toerana nitrangan’ny loza ity. Voatery namorona fivilian-dalana mihitsy ireo taksiborosy sy fiara tsotra. Nisy aza ireo fiara efa maraina vao tafavoaka.

Tsikaritra fa malama ny lalana noho ny orana. Ny lalana efa malama sady tery, nefa ny kamiaobe mifamezivezy amin’iny lalana iny samy tsy misy mifampitsitsy fa mandeha mafy.

J.C

Les commentaires sont fermées.