Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Resaky ny mpitsimpona akotry : tsy ny dahalo ihany no mamono olona

Maimbo rà maimbo iny fanafihana tany amin’ny Distrikan’ Anjozorobe tamin’ny faran’ny herinandro lasa iny. Nisy tifi-basy nandatsa-drà izay nitarika fahafatesana araky ny fanambaranana nataon’ny “Zanak’Androy”, fikambanan’ny teraka avy any Atsimo araky ny voalazan’ny anarana entiny. Zanany hono ilay namoy ny ainy io, mitaky ny famerenana aminy ny razana ireo mpitondra teny. Ny zandary moa dia milaza fa tsy nahita fatin’ olona. Manentitrentitra anefa ireto mpiampanga ny fisian’izany no sady mampiseho fahasahiana mihitsy aza manondro zanaka tompon’andraikitra ambony eo amin’ny fahefana, ho nanome baiko tamin’izany raharaha maizina izany. Maizimaizina no manomboka mamofona ratsy noho izany fanendrikendrehana izany, sehon-javatra mety hitarika any amin’ny sehatra pôlitika. Fandrobana harena avy notrandrahana avy any an-kibon’ny tany no antony. Hay va re ! Tsy mahagaga, tsy gisitra amin’ny firobohana amin’izany matetika ny sasantsasany amin’ny tompom-pahefana izay nifandimby teo. Harem-be koa moa no voalaza voakasik’ity raharaha ity, efa mitentina any amin’ny folo miliara iraimbianja any hoy ny mpanita-dresaka, iza no tsy ho azon’ny fakampanahy amin’izany, nofinofy fotsiny ny an’ny maro vorombe tsy takatry ny bala-pilesy. Mitaky hery sy tanjaka ary fananam-bola sy fanjakazakana ny fahasahiana miditra amin’ izany ady feno setrasetra izany.

Tsy mandeha amin’ny laoniny ny raharaha eto an-toerana. Tsy voafehin’ny fanjakana ny ankisisika sy sotasota rehefa raharaha mahakasika ny harem-pirenena, fanjavonan’ny volamena sy ny vatankazo sarobidy, hany ka ny fanaovana raharaha madio no isehoany anaovana fitsongolohana madinika fanasarotana toy ny fanao ankasomparana. Amin’izao fotoana izao raha vao mihoatra ny fetra voalaza ny tombam-bidin’ny tany dia ny mpivarotra mikasa hivarotra dia vaotery hangataka alàlana avy amin’ny fanjakana. Tsy izay fepetra izay no hanakana ireo tambajotra mpanodinkodina ny fananan-tany, fa mampitombo ny kihon-dalana fanakendana ny mponina, taratasy iray amboniny mira fitakiana kolikoly amboniny. Ny fanasarotana ny fanaovana raharaha dia naman’ny fitaizana ny fanjakan’ny risoriso. Raha mijery ireo karazana fepetra eo amin’ny sehatra rehetra anefa dia tazana fa ny fanasarotana no mitranga hatrany, ny kolikoly izay lazaina ho fongorina etsy andaniny dia mirongatra mahazo vahana hatrany.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.