Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Behoririka : nakatona ny toeram-pivarotana Golden Center

Behoririka : nakatona ny toeram-pivarotana Golden Center

Nakaton’ny polisy niaraka tamin’ny vadintany ny toeram-pivarotana Golden Center eny Behoririka, omaly. Fanatanterahana didim-pitondrana monisipaly izy io, raha ny fantatra, ary tsy nisy resaka fa nanakatona ny varavarana sy namantsika izany avy hatrany. Nitangorona ny olona teo anoloan’izany, ary nitabataba ireo tompon’ny fivarotana fa mbola voahidy ao entan’izy ireo. Mitaky ny hamoahana ny entana rehetra voahidy ao ny mpivarotra.

Nanazava ny kaominina fa vokatry ny tsy fanarahana ny fenitra momba ny « sureté » sy ny « sécurité ». Nanao fidinana teny an-toerana ny « experts » ny kaomina ka hita tamin’izany ny lesoka sy tsy fahatomombanan’ny foto-drafitrasa. Efa nomena « notification » momba ilay didim-pitondrana sy fampahatsiahivana ny fanavaozana tokony atao moa ireo tompon’antoky ny toeram-pivarotana fa tsy tanteraka amin’ny antsakany sy andavany izany ka nahatonga izao fanapahan-kevitra izao. Tohin’izany, nangataka ny fiatoan’ny fanidiana (surcis) sy fanafoanana (annulation) ny didim-pitondrana, teny amin’ny « Tribunal Administratif » ny tompon-toerana. Nolavin’ny fitsarana tamin’ny 05 febroary izany fangatahana izany ary napetraka fa mitombona ny fanapahan-kevitry ny Kaomina. Miandry izay tohin’ny raharaha ny rehetra.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.