Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

 Fitsaram-bahoaka tao Moramanga : nodoran’ny olona ny fiaran’ilay Karana nahafaty olona 5

 Fitsaram-bahoaka tao Moramanga : nodoran’ny olona ny fiaran’ilay Karana nahafaty olona 5

  Faty nikararana! Izay ny vokatry ny loza nateraky ny fiara 4×4 Ford Ranger, nentina karana iray tany Moramanga, omaly. Olona dimy maty, efatra naratra mafy. Nodoran’ny olona ny fiara, mbola nitaky fitsaram-bahoaka ireo avy eo.

 

Polisy brigadie iray, mpianaka bevohoka sy ny zanany telo taona, ankoatra ny olona roa hafa no indray maty nofaohin’ny fiara 4×4 Ford Ranger, omaly, tolakandro tany Moramanga. Maty tsy tra-drano ary niampatrampatra teny amin’ny arabe ny razan’ireo olona ireo. Nisy olona efatra ihany koa naratra mafy vokatr’izany. Mpianaka avy nivavaka ireo anisan’ny namoy ny ainy ireo. Polisy nanao ny asany, nisakana ilay fiara ihany koa ilay voafaoka io.

Saika hitsoaka ilay 4×4 saingy voabahan’ny kamiao semi-remorque iray ka nidona tsy tafahetsika teo intsony. Nihazakazaka namonjy teny ny mponin’i Moramanga ary nikasa hisambotra ilay nitondra ny fiara, saingy tafatsoaka io. Nanamparan’ny olona ny hatezerany ka nodoran’ny olona avy hatrany ilay fiara.

Araka ny vaovao avy any an-toerana, karana iray sy vehivavy iray tao anatin’io fiara io. Nitsoaka nandeha tany amin’ny biraon’ny polisy ilay karana ary notanana avy hatrany. Ilay vehivavy kosa tapa-tongotra ary nalefa any amin’ny hopitaly. Soa ihany fa tsy nodoran’ny olona tao anaty fiara tao izy ity.

Rehefa avy nanala ny fony teo amin’ilay fiara 4×4 ny olona, nirohotra nankany amin’ny biraon’ny polisy nitaky ny hamoahana ilay karana hanaovana fitsaram-bahoaka. Nitangorona teony olona marobe nitabataba hatramin’ny ora nanoratanay. Nandamina ny toe-draharaha ny lehiben’ny mpitandro filaminana any an-toerana.

Voalaza fa efa tany Andasibe no nandona olona io fiara io ary nitsoaka. Izao tany Moramanga izao fa tafajanona, kanefa mbola nahafaty olona ihany koa. Raha ny fanazavana azo ihany, mety ho mamo izy io. Mandeha ny famotorana momba ilay karana.

Manahy ny ho afa-maina ny olona

Raha ny filazan’ireo mponina any Moramanga momba ity loza ity, mampanahy azy ireo ny mety hahavotsotra moramora foana ilay karana io. Mateti-pitranga ireo mpanam-bola mamoa-doza tahaka izao, no afaka rehefa mahaloa vola amin’izay mifanaraka aminy, hatrany amin’ny mpitandro filaminana ka hatramin’ny fitsarana. “Ny kolikoly sy ny fananan’io karana io vola mihitsy no antony angatahinay ny hanaovana fitsaram-bahoaka azy ity”, hoy ny olona.

Mampiseho tsy fahatokisan’ny olona ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana ny fitakiana fitsaram-bahoaka tahaka itony. Eo ihany koa ny fankahalana vahiny sy ny olona manambola raha vao misy ny trangan-javatra tahaka izao. Maneho ny alahelon’ny olona sy ny elanelana be misy eo amin’ny mpanan-karena, ny vahiny ary ireo vahoaka tsy mandady harona ny raharaha tahaka izao.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.