Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Milaza ny heviny ny « psychiatre » sy ny pasitera : « Mosavy tsy sitran’ny dokotera ny ambalavelona »

Milaza ny heviny ny « psychiatre » sy ny pasitera : « Mosavy tsy sitran’ny dokotera ny ambalavelona »

Sahiran-tsaina avokoa ny ankamaroan’ny olona amin’izao fotoana izao momba ny tranga

Ambalavelona, izay mahazo vahana eny amin’ny tontolon’ny fampianarana. Mitondra fanazavana momba izany ny dokotera Ratsifandrihamanana Lanto- Mahefa, psychiatre sady mpitantana ny toeram-pitsaboana ny marary saina, eny Anjanamasina. Ny rainy rahateo, ny profesora Ratsifandrihamanana, nanao fanadihadiana manokana momba ny ambalavelona.Tetsy andan in’izay, naneho ny heviny koa ny pasitera irayao amin’ny FJKM. Resa-dresaka.

Taratra(*) : Inona no azo amaritana ny ambalavelona dokotera ?

Ratsifandrihamanana Lanto (-) : Tsy aretina ny ambalavelona fa tranga eo amin’ny fiarahamonina malagasy antsoina koa hoe « pathologie culturelle » amin’ny teny frantsay. Hita manerana ny Nosy izy ary samy manana ny fisehony isaky ny faritra (Boeny, Sava, Analamanga…). Azo ambara ho famosaviana ny ambalavelona arakaraka ny ody ampiasain’ny olona mamosavy.

*Ahoana ny fitrangany ?

-Mitana moara tandrok’omby na tandroka vita amin’ny hazo feno tapa-kazo ao anatiny ny mpamosavy. Mifangaro zavatra madinty misy loko maro : mena, mainty, mavo… ary nohodidinina perla maro loko ny tandrok’omby ary misy fehezana mena. Fantatra amin’ny fomba fipetraky ny tapa-kazo madinika ao anatiny ny moaran’ny ambalavelona. Mitsatoka mahitsy ny fomba fipetrany ary misy fehezana mena manodidina azy. Misy hety mitsatoka, fantsika rezatra na vola tsangan’olona iray mitsatoka eo afovoan’ny moara. Misy fehezana mena ny moara ary mahery vaika ny fiasany.

Misy karazany maro ny moara ambalavelona. Santionany ny « bozimiangola » izay mampandihindihy foana ny olona tratrany na koa mampisonenika azy. Ny « adalatelo » mahalasa adala ary manary lamba mihitsy izay iantefany.

*Ny fisehony amin’ny olona iray ?

-Mikiakiaka, mitomany, malemy, miolakolana, manao krizy, mirediredy, mahita zavatra, maheno zavatra ary miriotra toy ny matahotra. Indraindray koa mifanintona na koa hoe mihetsika androbe. Mandritra ny rediredin’ilay olona voan’ny ambalavelona, lazainy ao avokoa ny olona namosavy azy sy ny nakana ny fanafody. Noho izany, tokony hohenoina ilay olona rehefa mirediredy fa mivoaka ao ny marina. Indraindray, tsy mifanintona ilay olona arakaraka ny ody nampiasain’ilay mpamosavy.

*Mety ho afaka tanteraka ve ny ambalavelona ?

-Mety ho afaka tanteraka ilay olona, na koa miverimberina ny krizy ateraky ny tahotra na alahelo mafy. Mety ho tonga amin’ny fahafatesana sy hadalana tanteraka ny ambalavelona amin’ny olona sasany.Tsy sitran’ny fihinanana fanafody omen’ny dokotera ny ambalavelona satria tsy aretina mihitsy.

*Maninona no ireo ankizivavy mianatra any amin’ny sekolim-pinoana no matetika tratrany ?

-Ny Malagasy olon’ny fo ary mora tohina, indrindra ny vehivavy ka mora andairany. Asan’ny fanahy ratsy ny ambalavelona, ka tena tiany hasiana azy ny olona tezaina hanatona an’Andriamanitra. Tsy mitranga amin’ny fianakaviana manompo sampy ny ambalavelona. Miseho matetika amin’ny ankizivavy na vehivavy ny ambalavelona ary mahalana kokoa amin’ny lehilahy noho ny resaka fitiavana, fialonana…

*Ahoana ny momba ny mpamosavy ?

-Misy tanora 14 taona ka hatramin’ny zokiolona 75 taona ny mpamosavy. Samy mitana moara avokoa izy ireo. Ny tanora matetika no mitana vovo-kazo na perla. Rehefa tratra izy ireo, milaza fa mpanasitrana. Ny mpanasitrana iray manana morarivo na zanakasina 20 eo ho eo manampy azy. Ny zanakasina tsirairay avy koa mbola manana morarivo 20 isanisany. Mandeha any ambanivohitra izy ireo milaza fa hanasitrana, nefa manaparitaka ny ambalavelona. Rehefa miatraika amin’ny faritra temporo-parieto-occipital ao anaty atidoha ilay vovo-kazo, mitarika ny fanintona sy ny krizy eo amin’ny olona iantefany.

*Inona no maha afaka ny ambalavelona rehefa tsy sitran’ny fanafody ?

-Satria asan’ny fanahy ratsy izy, dia mety ny vavaka. Misy vahaolana faharoa koa, dia ny fanatonana ny mpanasitrana (ilay nanao ny famosaviana). Manana ny fanafody manasitrana ny ambalavelona nataony tamin’ny alalan’ny ody nampiasainy izy.

Zava-dehibe koa ny fitandroana ny fihavanana eo amin’ny fiarahamonina, isorohana ny tranga tahaka ny ambalavelona.

*Tranga efa ela ve ny ambalavelona teto amintsika ?

-Tany amin’ny taona 1960, tany Antsihanaka no nitranga izy ity, araka ny fahafantaran’ny olona azy. Olona avy any Tsaratanàna, manakaiky ny faritra Amparafaravola no nampiditra azy. Tombo, Kalovavy, Legara no anaran’ireo olona santionany. Nihanaka vetivety teo amin’ny faritra ny tranga ary nampatahotra ny mponina satria mampiasa ody mahery. Na fantatry ny iray tanàna aza ny mpitana ny ody, tsy nety nitory mihitsy izy ireo satria matahotra ny heriny. Azo lazaina fa izay no antony mety mampihanaka ny tranga amin’izao fotoana izao.

Vonjy Andrianjaka

Une réponse à "Milaza ny heviny ny « psychiatre » sy ny pasitera : « Mosavy tsy sitran’ny dokotera ny ambalavelona »"

  1. Ndranto  27/02/2016 à 20:28

    Ny ahy izany ny mba mahalasa ny saiko amin’ireto milaza ho mahay manasitrana isan-karazany ireto, izay manao dokam-barotra amin’ny gazety isanisany. Milaza sy manome ohatra tantaraina (tsy fantatro izay tena fahamarinan’ny tantara tantarainy) fa dia maninona kay ohatra raha izy ireny no mandeha manasitrana ireny tanorantsika simban’ny ody ratsy ireny raha izany: Eny Itaosy, eny Ambohidahy, eny Mandrosoa Ivato, eny min’ny 67 Ha! Kalanoro eee, menaka nafarana tany Isiraely sy ny sisa ! Angamba mba tena halaza amin’izay rizareo fa tsy ilàna dokany intsony! Sa ve dia “charlatanisme” no betsaka?

Les commentaires sont fermées.