Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Valin-kafatra ho an’ny ATPMS : “Tsy mihatra amin’i Etazonia ny ACD”, hoy ny masoivoho

Nandiso avy hatrany ny filazan’ny orinasa Associated Transport and Port Management System (ATPMS) ny masoivoho amerikanina. Araka ny fanambarana ofisialy, navoakany, omaly, fa “manao fanambarana ny masoivoho ho fanitsiana ny filazana diso momba ny ny rafitra Advance Cargo Declaration (ACD). Etazonia dia tsy mitaky rafitra ACD mitovy amin’izay apetraky ny ATPMS amin’ireo entana izay halefa any aminy. Ny fandaharanasa momba ny seranana izay ataon’ny mpiambina ny morontsiraka amerikanina sy ny fitsipika ISPS (International Ship and Port Facility Security Code) dia tsy mitaky rafitra ACD toy izay kasain’ny ATPS hapetraka. Raha ny fantatry ny masoivoho amerikanina, tsy misy mihitsy fepetra mifandraika amin’ny ACD izay hapetraky ny ATPMS takin’ny lalàna sy ny fepetra napetraky ny governemanta amerikanina momba ny fitateran’entana an-dranomasina sy ny fandriampahalemana”.

Randria

Les commentaires sont fermées.