Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Resaky ny mpitsimpona akotry : atao tsy atao

Toy ny sazy miantona fomba fifampitandremana izany hoe fandrahonana mifamaly ity resaka fanovàna governemanta ity. Sanatria ve dia mifandrefy hery ny andaniny sy ny ankilany, ny iray manambana mikasika ny fanongotana ny iray hafa mamaly alao aho raha afaka. Manambara ombieny ombieny moa ny Praiminisitra fa an’ny Filohampirenena ny fanapahana, tsindriany izany anio amin’ny fanipihina fa ny tenany dia miaramila ka efa namola-tsaina amin’ny fanatanterahana baiko, ny ampitso dia ny noho ny maha mpandala ny demôkrasia ny tenany dia vonona lalandava izy amin’izany fifandimbiasana eo amin’ny andraikitra izany. Mifandimby manambara ny mikasika izany na ny Filoha na ny Praiminisitra, nefa ny siosion-dresaka tsy mijanona. Hitsikitsika tsy mandihindihy foana hono fa ao raha. Na inona na inona herin-tsaina izany rivotra iainana izany dia manelingelina ny tontolon’ny fanatanterahana ny asa, lainga ny filazana fa tsy misy fiantraikany amin’ny fandinihina sy ny fametrahana ny lamin’asa izany. Raharaham-pirenena anie no resaka, na ny vahoaka mpitazana aza dia feno ahiahy be ihany, indrindra moa noho ny vokatry ny asa tsy mamiratra, ny fahasahiranana aza no mitombo. Tsotra angamba ny fomba hampitsaharana ny resaka manodidina izany fanovàna governemanta izany, dia ny fahatazanana ireo tompon’andraikitra voalohany roa tonta ireo miombon-kevitra ka miaraka manao fanambarana.

Tsy misy olona afaka hanizingizina hiseho ahafantatra ny tena vontoatiny mikasika ny fifankahazoan’ireo tompon’andraikitra tampony roa ireo. Resaben’ny tandapa fotsiny no betsaka. Ireto moa dia maro karazana, ao ny mpanely tsaho, ao ireo miseho azy tena akaikin’ny tompo, ao ireo mpanao kajikajy manokana heveriny ho fomba fiady, ny maro raha tsy ny rehetra dia samy miaro ny fihinanany tsy ho tapaka. Tsy fantatra intsony iza no manatanteraka iraka iza no manira-tena. Ny tsiambaratelo matetika dia avy ao an-tokantrano ihany no mipika mihely any ivelany. Ny olobe koa izay diso maro loatra ny ao amin’ny ankohonany dia indraindray mampiasa hafetsena amin’ny fizarazarana ny tsiambaratelo, ny tetika lazaina amin-dRakoto dia tsy mitovy amin’izay nankinina amin-dRabe. Lasa ao an-trano avy no mifamahofaho ny tena izy sy ny ankandasitra. Ny tena tompony indray no fanina tsy hay intsony no manavaka ny tavy sy ny kary.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.