Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Raharaha kidnapping : mandeha ny famotorana an’i Stéphanie

Raharaha kidnapping : mandeha ny famotorana an’i Stéphanie

Nanomboka omaly ihany ny famotorana an’i Roger Lala Stéphanie, anisan’ny voarohirohy amin’ny raharaha kidnapping eto amintsika, indrindra tamin’ny fakana an-keriny an’i Annie sy Arnaud tany Toamasina. Ny 22 janoary teo no namoahana ny didy fampikarohana azy ity rehefa nivoaka tao amin’ny famotorana ireo voasambotra tany Toamasina ny anarany. Efa voatonontonona tamin’ny asa ratsy matetika izy ity, ary efa niditra am-ponja ihany koa tamin’izany. Nivoaka ny fonja izy ny taona 2014 ary izao voatonontonona izao indray. Teny Manjakaray izy no voasambotry ny Usi afakomaly maraina. Anatin’ny famotorana tanteraka ny BC ary hisy ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.