Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra  

 Mitohy ny famotorana manodidina ny famonoana ilay teratany Frantsay sy ny vadiny tany Antsiranana amin’izao fotoana izao. Efa am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny miaramila taloha iray anaovana fanadihadiana. Fantatra fa nisy ihany koa ny mpitandro filaminana nanaovana famotorana tamin’ity raharaha ity. Nisy namono tao an-tranony izy mivady, raha tsiahivina ny herinandro lasa teo. Nitifitra azy ireo ny lehilahy efatra nanao saron-tava nitondra kalachnikov. Ilay rangahy vazaha matin’ny bala roa tao an-damosiny. Teny an-dalana halefa any ivelany kosa no namoy ny ainy ilay ramatoa dokotera. Mitaky ny hamoahana ny marina momba ity famonoana ity ry zareo frantsay.

 

Fiara 4×4 iray nifandona tamina fiara 4×4 iray hafa teny Amboditsiry ny alahady hariva teo. Voadoana teo amin’ny vatany mihitsy ilay fiara faharoa ka tsy tafahetsika intsony. Araka ny fitantaran’ny olona teny an-toerana, efa mamo ilay rangahy namily ilay fiara 4×4 nandona ilay faharoa. “Nitabataba izy io ary nilaza fa haka minisitra amin’ny 11 alina eny Ivato ka mila mandeha”, hoy ny fitantarana. Tezitra ny olona ka saika niharan’ny daroka teo ilay saofera io. Soa ihany fa tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nandamina ny raharaha.

Les commentaires sont fermées.