Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina : sarona ny mpisandoka ho mpiasan’ny hetra

Toamasina : sarona ny mpisandoka ho mpiasan’ny hetra

Saron’ny polisin’ny Fip tao Toamasina, afakomaly, ny raim-pianakaviana iray voarohirohy ho mpanao taratasim-panjakana hosoka. Roa lahy izy ireo no miara-manao izany, saingy tafaporitsaka kosa ny iray nandritra ny fotoana nisamboran’ny polisy azy. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny polisy misahana ny fikarohana heloka bevava, ny kaomisera divizionera, Ramilison Celéstin, tranom-pivarotana maromaro no efa fantatra hatreto fa nahazoan’izy ireo volabe. Tonga mitety ireny trano fivarotana zava-pisotro ireny izy roa lahy ary misava ny taratasy fahazoan-dalana hivarotra zava-pisotro maro isan-karazany sy ny peta-drindrina tokony ho hita amin’ireny trano fivarotana zava-pisotro misy alikaola ireny. Vokany, sazin’izy ireo handoa vola mitentina 240 000 Ar mba ho fifanarahana fotsiny tsy hitondrana ny raharaha eo anivon’ny fitsarana izay tsy manana izany. Tsy vitan’izay fa rahonan’izy ireo hakatona ihany koa ilay fivarotana. Mody manamboatra taratasy fahazoan-dalana sy peta-drindrina ho an’ilay mpivarotra izy roa lahy. Raha jerena tampoka, mitovy amin’ny tena izy mihitsy ny licence omen’izy ireo satria hatramin’ny sonian’ny talen’ny hetra sy ny anarany, voadika mitovy tsara. Asain’ireto mpisoloky mandoa volabe 1 tapitrisa Ar ny mpivarotra lasibatra. Tsy nanana io vola io anefa ilay niharan’ny fisolokiana fa 400 000 Ar ny naloany ary ny ambiny kosa saika haloa ny 19 febroary teo. Niantso ny talen’ny hetra avy hatrany ilay voasoloky ka noraisim-potsiny ny iray taorian’ny vela-pandriky ny polisy. Tafaporitsaka ny namany.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.