Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Hanao tatitry ny asany ireo eo anivon’ny komitin’ny manampahaizana, namolavola ny lalàna hifehy ny FFM. Hotanterahina etsy Antaninarenina izany ary hampahafantarina ny mpanao gazety.

Tsiahivina fa anisan’ny tolokevitra ao ny hampihenana ny isan’ireo ho mpikambana amin’ity rafitry ny fampihavanana ity, rehefa hijoro.

Nilaza ny tsy tokony hirotorotoana amin’ny fifidianam-paritra i Tabera Randriamanantsoa, araka ny nambarany afakomaly. « Loharanon’ny korontana ny fifidianana matetika ka tokony hodinihina tsara», hoy izy. Nambarany koa fa tokony hatao mialoha ny fivorian’ny Frankofonia  sy ny Comesa ny dingan’ny fampihavanana. « Ilaina ny fitoniana sy filaminana… », hoy ihany izy.

Les commentaires sont fermées.