Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ampasapito : nihotsaka ny sisin-dalana, fiara 4×4 iray latsaka tany anaty tevana

Ampasapito : nihotsaka ny sisin-dalana, fiara 4×4 iray latsaka tany anaty tevana

 Fiara 4×4 iray no latsaka tany anaty tevana vokatry ny fihotsahan’ny sisin-dalana teny Ampasapito,omaly. Tsy nisy ny aina nafoy fa potika ilay fiara…

 

Vokatry ny fihotsahan’ny sisin-dalana nipetrahan’ilay fiara 4×4 no nahatonga ny loza, araka ny fanazavan’ireo olona nahita ny zava-nitranga teny an-toerana. Manoloana ny CEG no nitrangan’ny loza. Efa nisy triatra ny sisin-dalana ankavanana amin’iny lalana mihazo an’Ankadindramamy iny. Fantatra fa vokatry ny ranon’orana hatrany no nampiletsy izany.  Fasika tanaty gony no napetraky ny olona manodidina ilay faritra mitriatra mba tsy hahafahan’ny fiara mipetraka eo intsony. Tsy mbola nisy kosa ny fanamboarana taorian’ny nampihotsaka iny sisin-dalana iny. Manoloana izany indrindra anefa, misy ihany ireo fiara sasany mbola sahy mipetraka eo amin’ity sisin-dalana efa mihotsaka ity. Sendra nipetraka teo indrindra ilay fiara 4×4 omaly, kanjo nihotsaka tampoka ny lalana ka nivarina avy hatrany ny fiara. Raikitra ny fifanjevoana omaly teny Ampasampito sy ny manodidina raha nandre ny fianjeran’ilay fiara 4×4.

Mipetraka manamorona ity sisin-dalana efa mihotsaka ity anefa ny ankamaroan’ireo kamiaobe mpaka fako. Soa ihany fa tsy ireny no nivadika nianjera teo fa saika zava-doza. Tokony hojeren’ny tompon’andraikitra akaiky koa ireny lalana mihotsaka atahorana hamoa-doza ireny mba hisorohana ny loza toy izao.

J.C

Les commentaires sont fermées.