Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

20%-n’ny tanora mifoka avokoa : tsy nitohy ny ezaka vita amin’ny ady amin’ny sigara

 Mahatsapa ny Vovonana miady amin’ny sigara sy paraky fa mihemotra ny ady amin’ireo zava mahadomelina roa ireo eto amintsika tao anatin’ny herintaona. Ifandrombonan’ny ONG, mpitsara, mpanao gazety… ny Vovonana. Tsy misy intsony ny fanentanana samihafa sy ny fanaraha-maso ny fampiharana ny lalàna samihafa efa manan-kery. Ohatra iray amin’izany ny fijerena ny fanajana ny tsy tokony hifohana sigara amin’ny toerana mihidy sy be olona. Raha mampihatra azy ny trano fisakafoana sy fandraisam-bahiny maro, tsy izany no miseho amin’ny toeram-pandihizana ahitana tanora marobe.

20%-n’ny tanora mifoka sigara araka ny antontanisa farany ofisialy ary 12% hafa mila arovana mba tsy ho voasarika amin’izany, araka ny fanadihadiana nasionaly momba ny fandraisan’ny tanora sigara (Global Young Tobacco Survey (GYTS) natao ny taona 2008.

Betsaka ny ezaka vitantsika ka nahazoantsika ny taratasy fankasitrahana avy amin’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS) ny taona 2013.

Mampahatsiahy ny asa ho an’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ny mpikambana amin’ny Vovonana momba ny fitohizan’ny ady amin’ny sigara sy ny paraky. Rehefa mangina ny ady, manararaotra misisika ny orinasa mpamokatra sigara hanamboatra ny lalàna misy.

Napetraka fa mandoa onitra 2 500 Ar ny olona rehetra tratra mifoka sigara amin’ny toerana voarara. Hatramin’izao, tsy nisy ny tatitra momba ny isan’ny olona tratra sy ny vola niditra amin’ny kitapom-bolan’ny fanjakana avy amin’ny vola azo.

Mandalo eto amintsika amin’izao ny vondrona avy any amin’ny OMS mandrefy ny ezaka vitantsika ny taona 2015 momba ny ady amin’ny sigara sy paraky.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.