Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby : nahemotra ny fambolen-kazon’ny federasiona

Rugby : nahemotra ny fambolen-kazon’ny federasiona

Alevina anio any Castres, Frantsa, ny nofo mangatsiakan’i Jean-Luc Barthez, talen’ny fampandrosoana ny rugby aty Afrika. Noho ity fandevenana ity, voatery nahemotra amin’ny fotoana manaraka ny fambolen-kazo, tokony notanterahin’ny federasiona malagasin’ny rugby. Ny faran’ny herinandro lasa teo, ny voatondro fa hanaovana izany, tany Mandraka. Nanapa-kevitra, araka izany, ny komity mpitantana eo anivon’ny federasiona fa hatao amin’ny faran’ny volana febroary ho avy izao, indray izany, izay iarahana amin’ireo sekolin’ny rugby, eto Analamanga.

Mahakasika ilay fandevenana an’i Barthez dia hisy ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana, manomboka amin’ny 5 ora hariva, hotontosaina eny amin’ny Aumonerie, Hopitaly HJRA Ampefiloha, fotoana izay hanaovana ny fandevenana azy any Frantsa. Natao mifanitsy mihitsy ny lera, araka ny nambaran’ny filohan’ny federasioan izay, misolo tena ny tontolon’ny rugby, any Frantsa, amin’ny fanaovam-beloma farany an’i Jean-Luc Barthez, mba ho fiarahana miory amin’ny fianakaviany sy ny rugby eran-tany. Miantso ny mpilalao rugby rehetra, araka izany, ny federasiona, hanatrika izany fotoam-pivavahana izany. Olona nahavita be ary tena nanampy an’i Madagasikara, teo amin’ny fampandrosoana ity taranja ity, i Jean-Luc Barthez.

 Tompondaka

Les commentaires sont fermées.