Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Praiminisitra Ravelonarivo : “Tsy vita irery ny fampandrosoana”

Praiminisitra Ravelonarivo : “Tsy vita irery ny fampandrosoana”

 Tsy vita indray andro sy tsy vitan’olona irery ny fampandrosoana, fa manana andraikitra lehibe amin’ny toerana misy antsika tsirairay avy isika. Andao hanambatra hery hijery ny faritra niaviantsika, hijery ny hoavin’i Madagasikara.”

Kabarin’ny Praiminisitra Ravelonarivo io, tamin’ny lanonana fifampiarahabana noho ny taona vaovao 2016 nataon’ny fikambanana Grand sud-est, teny amin’ny By Pass, afakomaly.

Ilaina ny hampandrosoana ny faritra misy azy ireo, araka ny nambarany. Ny faritra Atsimo Atsinanana izany, ao anatin’i Madagasikara. Mampandroso an’i Madagasikara koa izy ireo amin’izany.

Araka ny vina napetraky ny filoham-pirenena rahateo izay: mahomby sy mandroso i Madagasikara. Manana izay hery sy vina izay isika, manana tombontsoa betsaka ao anatin’izany ny faritra Atsimo Atsinanana. Raiso ny andraikitra fa ny mitabe tsy lanin’ny mamba, ary ny akanga maro tsy vakin’amboa”, hoy izy.

Tonga nanome voninahitra ny lanonana ireo olom-panjakana avy any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Teo koa ireo loholona, minisitra, solombavambahoaka…

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.