Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Oniversite GSI : hisokatra amin’ny any ivelany

Oniversite GSI : hisokatra amin’ny any ivelany

Misokatra amin’ny any ivelany, ary efa misy ny fifanarahana vita ny amin’ny oniversite GSI sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny GSI, Randrianaivo Geremioh. Ity farany izay nahazo fifanarahana tamin’ny minisitry ny Fambolena frantsay, Stéphane Le Foll, ny volana janoary lasa teo, nandritra ny diany tany Frantsa, nandray anjara tamin’ny atrik’asa lehibe momba ny fambolena sy ny fiarovana ny tontolo iainana.

 Araka ny fanazavany, hisy ny fanatrehany ny “Roundtable”, hetsika lehibe ihaonan’ny mpandraharaha, any Maorisy, ny volana marsa ho avy izao. Aorian’io, ny volana avrily, hiatrika ny “World Congress for Trade and Investment”, any Afrika Atsimo, ihany koa izy. “Ao anatin’ny fisokafana sy fitadiavana lalana ho an’ny oniversite GSI izahay. Hahazo tombony ny mpianatra amin’izany rehetra izany, ary tokony ho izay ny tolotra ho azy ireo amin’izao vanim-potoana anarahana ny LMD izao”, hoy ny fanazavana. Efa misokatra rahateo ny fiofanana hahazoana Master ao amin’ny oniversite GSI, izay misy lalam-piofanana maromaro ahazoan’ny tanora asa avy hatrany.

 Yves S.

Les commentaires sont fermées.