Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Marathon de Dakar” : laharana faha-11 i Hajanirina

Tsy afa-nanoatra i Hajanirina, nanoloana ireo kalazalahy kenyanina, nandritra ny fanatanterahina ny “Marathon de Dakar”. Tany amin’ny laharana faha-11, no nisy azy, tamin’izany fifaninanana izany.

Tsy ratsy ny vokatra azon’i Hajanirina, teo amin’ny fifaninanana “Marathon de Dakar”, natao ny asabotsy lasa teo, tany Sénégal. Laharana faha-11 no nisy azy, tamin’ity ary 2 ora 25 mn 42 s  ny fe-potoany, tamin’izany. Nanjakan’ny Kenyanina tanteraka ity fihaonana ity satria izy ireo avokoa ny nahazo ny laharana valo voalohany. Nitana ny laharana voalohany ary nahazo ny medaly volamena i Yator Bellor Miningwo, izay nahatontosa ny hazakazany, tao anatin’ny 2 ora 16 mn 35, faharoa i Maina Gilbert Kipkemboi, nahavita ny 42, 195 km, tao anatin’ny 2 ora 16 mn 49 s ary fahatelo, i Kiprono Boaz, 2 ora 17 mn 32 s.

Ankoatra izay, tontosa  ny asabotsy teo, tany Amoron’i Mania, ihany koa ny fifaninanam-pirenena, eo amin’ny “cross country”.

Voalohany teo amin’ny sokajy “senior” lehilahy, Rakotomalala Jean de la Croix, avy amin’ny Crown Vakinankaratra (31 mn 11 s). Razafindrafara Nanie, atletan’ny 3FANS Analamanga kosa ny teo amin’ny vehivavy. 38 mn 35 s ny fe-potoany. Marihina fa hiatrika ny fifaninanana any Mayotte, ny volana marsa ho avy izao, ireo telo voalohany isan-tsokajy.

Nifampizarana kosa ny amboara teo amin’ny sokajy zandriny. Teo amin’ny U16 vehivavy dia Nomenjanahary Maminiaina (ASPTT-Analamanga), ny voalohany raha i Ratovonirina Branly, avy amin’ny ABCA Amoron’ i Mania, teo amin’ny lehilahy.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.