Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lozam-pifamoivoizana : nitsoaka ilay vazaha nitondra 4×4 nahafaty olona

Rangahy iray niampita arabe, nodomin’ny fiara 4×4 nentina vazaha, ny asabotsy alina teo, ka maty tsy tra-drano izy io, teny Ampandrianomby. Ny maraina vao hita faty ity voadonan’ny fiara. Araka ny fanazavana azo, ana vazaha io fiara io, izay nisy nahatsikaritra ihany. Nitsoaka ilay vazaha sy ny fiarany raha vao nitranga ny loza. Efa naterina eny amin’ny hopitaly kosa ny razan’ilay lehilahy io.

Kamiao iray ihany koa, nandona rangahy iray niampita ny arabe teny Andoharanofotsy, ny asabotsy teo. Naratra mafy voadona teo amin’ny lohany izy io, ka voatery naiditra hopitaly. Fantatra kosa fa nandray ny an-tanana ny fitsaboana sy ny fitondrana azy io teny amin’ny hopitaly ny tompon’ny fiara. Fanaon’ny olona ny mitsoaka tsy mandray andraikitra rehefa misy ny loza. Mampiditra am-ponja ny raharaha toy izany, ary mampihena ny sazy kosa ny fandraisana an-tanana ny fitsaboana.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.