Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kolo TV/FM – Valy Tiana : lasan’i Victor sy Marthe mivady ny tany 320 m2

Kolo TV/FM – Valy Tiana : lasan’i Victor sy Marthe mivady ny tany 320 m2

 Anisan’ireo tsara vintana nahazo ny tany 320 m2 eny Fonenana Imerintsiatosika avy amin’ny Master Immobilier Services Razanajatovo Victor sy Razafiarisoa Marthe mivady. Niainga tamin’ny lalao nokarakarain’ny Kolo TV/FM sy ny Valy Tiana ny fisarihana nahazoan’izy ireo izany tamin’ny fanamarihana ny fetin’ny mpifankatia, ny asabotsy teo.

Nanatona ny mpijery sy mpihaino ny Kolo TV/FM ny ekipan’ny Valy Tiana.   Navitrika ireo mpandray anjara tao anatin’izany raha nitsidika ireo tsena sy toerana be mpivezivezy ny fiara Valy Tiana. Anisan’izany ny teny amin’ny Jumbo Score Ankorondrano, Tanjombato, Cité Itaosy, Andravoahangy, Analamahitsy, Anosy, Ambohipo, Talatamaty, Ivato ary Akoor’ Digue. Tontosa ny asabotsy teo tetsy amin’ny Akoor Digue ny fisarihana ho an’ireo mpivady nahavita soratra ara-panjakana nahazo ireo loka sy valisoa goavana.

Nahazo ny loka avy amin’ny Fusion gift et Deco Antanimena Andrianasolo Nestor sy Rasoarinivo Marthe. Nahazo “bon d’achat” 100 000 Ar avy amin’ny Akoor’Digue Andrianjatovo Mahery sy Soloniaina Tojonirina mivady sy Ramiliarivony Fidinirina sy Rasoarinoro Erphine mivady. Nahazo 500 000 Ar avy amin’ny Bao Lai koa Rakotoarimalala Martiel sy Ravoniarimalala mivady.

Notoloran’ny Bijouterie Tsiory Sergio firavaka volafotsy Rakotoarimalala Sitraka sy Rasoanomenjanahary Lucie. Nahazo “écran plat 32” avy amin’ny magazay Sharp etsy Tsaralalàna Randrianaivo Guy Ernest sy Andrianirina Joclyne mivady.

Nanafana ny lanonana ny artista maro sy ireo avy amin’ny Valy Tiana Kolo TV/FM.

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.