Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra atsy Afrika : naka mpilalao brezilianina ny Tout Puissant Mazembe

Kitra atsy Afrika : naka mpilalao brezilianina ny Tout Puissant Mazembe

Nanamboatra ny mpilalao mandrafitra azy  ny Tout Puissant Mazembe, avy any RD Kongo, ankehitriny. Fantatra izao fa nanamafy ny lohalaharany izy ireo ka naka mpilalao brezilianina. Marco Antonio Silva Cortez ny anaran’io mpilalao io. Nilalao tany amin’ny klioban’ny Al Orooba, Emirats Arabo mitambatra izy io, teo aloha. Nahatafiditra baolina 21 izy, nandritra ny fifaninanam-pirenena arabo.

Tsy mbola fantatra kosa aloha, hatreto, izay tetibidiny, amin’izao fifindran-toerany izao fa ny hany fantatra, hilalao mandritra ny enim-bolana, ao amin’ny Tout Puissant Mazembe, i Cortez, izay efa 34 taona ankehitriny. Anisan’ireo hiakatra kianja izany ity Brezilianina ity, amin’ny fiadiana ny «Super coupe d’Afrique 2016», hifanandrinan’ny Tout Puissant Mazembe sy ny Etoile du Sahel, avy any Tonizia. Fihaonana hotanterahina ny asabotsy 20 febroary ho avy izao, ao Lumbumbashi.

Ankoatra izay, fantatra ihany koa fa mpilalao roa mandrafitra ny Tout Puissant Mazembe, no niala : i Mbwana Samatta, izay nifindra lasy any Belzika ary ilay lohalaharana, Roger Assalé, izay lasa any Frantsa ka na ny Racing Club de Lens, misy an’i Bôlida, na ao amin’ny FC Sochaux, no hilalaovany. Mbola manana olana nefa i Assalé ankehitriny, satria efa-taona ny fifanarahany amin’ny Tout Puissant Mazembe. Izy anefa, tsy nanafina ary efa maika ny hilalao any Eorôpa.

 Miary Narindra

Les commentaires sont fermées.