Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kaoperativa Avotra 162 : haverina ny 26 febroary ny fifidianana filoha

Haverina ny fifidianana izay ho filoha mpitantana ny kaoperativa 162 Avotra. Tsy mbola misy filoha mitondra ny kaoperativa amin’izao fotoana izao vokatr’izay ary tsy mandoa ny fandraisana anjara 4 000 Ar isan’andro intsony ny fiara rehetra miasa, araka ny tapaka nandritra ny fivoriana natao omaly teny amin’ny CEG Analamahitsy. Saika hotanterahina omaly ny fifidianana ny filoha vaovao saingy tsy nanaiky ny hanaovana izany ny mpikambana maharitra sasany noho ny tsy fahatomombanana maro hita. Niseho ny olana rehefa maty ilay filoha am-perinasa ka nisora-tena ho filoha tsy nierana tamin’ny mpikambana sy ny mpampiasa fiara ny zandrin’ny filoha izay nitana ny andraikitra « pointeur » ao anatin’ny kaoperativa. « Mandray ny vola fandraisana anjara isan’andro hefain’ny tompon’ny fiara ny tenany nefa tsy nanao tatitra mihitsy momba ny vola tao anatin’ny roa volana latsaka kely », hoy ny fanazavan’ny mpikambana maromaro. Noterena hanao fifidianana am-pitaka indray ny mpikambana nandritra ny fifampiarahabana ny taom-baovao ny faran’ny volana janoary lasa teo. Lany tamin’ny tsanga tanana ilay nitonona ho filoha nefa tsy nekena ny vokatra rehefa hitan’ny tomponandraiki-panjakana misahana ny kaoperativa fa nisy ny hosoka nandritra ny fanatanterahana ny fifidianana. Miangavy ny hampidirana ny tompon’ny fiara manodidina ny 40 efa nahafeno ny fepetra ho mpikambana raikitra ny birao mpitantana am-perinasa mba hampirindra ny fifidianana ho avy eo. Tsy manaiky ny hanaovana ho kaoperativam-pianakaviana ny 162 ny mpikambana fa tokony hanaraka ny lalàna ny fifandimbiasan-toerana.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.