Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hanamorana ny asa  : nahazo ordinatera ny CEG Manandriana

Nahazo ordinatera iray avy ny EPP Ambohibao sy ny CEG Manandriana Avaradrano avy amin’ny vadin’ny filoham-pirenena, Rajaonarimampianina Voahangy ny faran’ny herinandro teo teny Ambohitsorohitra. « Hanampy amin’ny fandrindrana ny asa fitantanana ny sekoly sy hikarakarana ny fanadinana samihafa ny fitaovana vaovao », hoy ny mpitantana ny CEG Manandriana, Randriamihaja Solofo. Efa miroso amin’ny fampiasana ny informatika rahateo ny fanabeazana amin’ny famoahana ny voka-panadinana samihafa ka hanamora izany ny ordinatera. Manana mpianatra 665 ny CEG ary 201 ny lycée ao Manandriana Avaradrano. Mbola tsy tongan’ny jiro ao amin’ny toeram-pampianarana ka ordinatera portable no azon’izy ireo hanamora ny fampiasana azy.

« Manafaingana ny asa rehetra ny fisian’ny ordinatera », hoy ny talen’ny EPP Ambohibao. Vao nahazo toeram-pamakiam-boky koa izy ireo avy amin’ny vafin’ny filoha.

Hitohy amin’ny asa fanatsarana ny CSB eto an-dRenihovitra ny fandaharanasan’ny vadin’ny filoha. Hisantarana izany ny CSB Ampasanimalo sy Ambohitsoa, araka ny fanazavan’ny mpiara-miasa aminy akaiky, Ravoavahy Clara

Vonjy

Les commentaires sont fermées.