Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Any Inde efa hatramin’ny herinandro teo ny filoha teo aloha, Ravalomanana. Niala an-tanindrazana ny herinandro teo izy, niray fiaramanidina amin’ny vadin’ny filoha, Rajaonarimampianina Voahangy, sy ny filohan’ny Tetezamita, Rajoelina, nihazo an’i Maorisy. Tafiditra amin’ny famelomana indray ny orinasa Tiko izao diany any izao.

Efa fito herinandro izao, tsy mbola voatendry ny talen’ny TVM. Notapahin’ny filankevitry ny minisitra ny volana desambra teo, ny nanesorana ny tale teo aloha, Rasata Lantomalala. Tsy mbola voasolo anefa izany hatramin’izao na maromaro ihany aza ireo fanendrena isaky ny filankevitry ny minisitra tato ho ato.

Les commentaires sont fermées.