Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety – «Amboaran’ny Filoha» : misongadina ny 2BC Vakinankaratra

Anisan’ny ekipa misongadina, eo amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Filoha amin’ny fahazoana fandresena, raha ho an’ny faritra andrefana, , eo amin’ny taranja basikety, ny 2BC Vakinankaratra. Fihaonana izay hatao any Tsiroanomandidy. Nomontsaniny, tamin’ny isa mazava, 77 noho 46, ny Fanatic avy any Vakinankaratra ihany. Lalao izay tsy niady satria nanantombo teo amin’ny tanjaka sy ny taktika, ny 2BC.

Omaly alahady dia mbola nandavo ny 3FB Bongolava, tamin’ny isa mavesatra 81 noho 46, ity ekipan’i Vakinankaratra ity.

Teo amin’ireo vokatra hafa, efa tany amin’ny fanalavam-potoana, vao afaka ny BAS Bongolava raha nifandona tamin’ny ASB avy any Itasy. 90 noho 86 ny isa nisarahan’ny roa tonta. Nisaraka ady sahala 76 noho 76 ny roa tonta tao anatin’ny fe-potoana nilalaovana.

Ankoatra izay, lavon’ny BCM-Zo, avy any Menabe, tamin’ny isa 87 noho 80 ny 3FB Bongolava.

 Miary Narindra

Les commentaires sont fermées.