Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Anosizato : jiolahy roa voatifitry ny tompon-trano voatafika

Anosizato : jiolahy roa voatifitry ny tompon-trano voatafika

Sambany, mba ny tompon-trano notafihana indray no nahatifitra ireo jiolahy. Teny Anosizato nitrangan’izany ny asabotsy alina teo. Araka ny vaovao voaray, fito lahy mitondra basy sy fitaovam-piadiana mahery vaika nanafika tamina tranombarotra iray, ka teo am-pitaomana ny menaka tamin’ny “bidon” izy ireo no hitan’ny tompon-trano. Teny ambony rihana, trano mifanila amin’ny fitoeran’entana no misy ireto farany, ka tazany teny avokoa ireo olon-dratsy teo am-pitaomana entana. Nitifitra ny tompon-trano, noho izany, ka voa teo ny roa tamin’ireo jiolahy. Nitsoaka kosa ny namany raha vao nahita izany. « Naparitak’ireo jiolahy nanerana ny lalana ny menaka ka lasa nandositra ry zareo tamin’io fotoana io. Ny iray voan’ny bala teo amin’ny kitrokeliny ary ny faharoa teo amin’ny tongony », hoy ny olona teny an-toerana. Tonga teny an-toerana ny polisy rehefa nantsoin’ny manodidina ary nanao ny fanarahan-dia avy hatrany. Tsy nisy tratra anefa ireo jiolahy tafatsoaka fa ireo voatifitra kosa no fantatra fa naratra mafy ka taraiky teo.  Nentina notsaboina tao amin’ny hopitaly HJRA  izy roa lahy. Nampidirina « bloc » ny iray noho ny ratra mahazo azy. Nentin’ny polisy hatao famotorana kosa ny namany faharoa rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Mandeha ny fikarohana ireo namany.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.