Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Principauté de Monaco : nahazo ordinatera sy fahitalavitra ny CEG Ivohitra

Principauté de Monaco : nahazo ordinatera sy fahitalavitra ny CEG Ivohitra

Natolotry ny lehiben’ny faritra Vakinankaratra, Andrianjanaka Mandrindra Albert tamin’ny talen’ny CEG Ivohitra Antsirabe I, Ranaivoarison Richard Maria William, ny ordinatera dimy, fanomezana avy amin’ny Principauté de Monaco. Nambaran’ny lehiben’ny faritra fa natao  izao mba hahazoan’ny mpianatra aty amin’ny CEG mandalina sahady ny tontolon’ny informatika. Voalaza mantsy fa izay rehetra tsy mahay mikirakira ny antsipirian’ny informatika amin’izao  taonarivo fahatelo izao, heverina ho toy ny olona tsy mahay mamaky teny.

Hahazo tombontsoa amin’ny fitaovana vaovao ny mpianatra miisa 1 800 ao amin’ity CEG Ivohitra ity. Mbola nanome “lecteur DVD” iray ambonin’ireo ihany koa anefa ny faritra Vakinankaratra mba ho famenony amin’ny fampiasana ireo solosaina ireo.

Nandritra io fotoana io ihany no nanoloran’ny lehiben’ny faritra niaraka amin’ny talem-paritry ny fanabeazana ao Vakinankaratra, Rakotosalama Arisoa, ny fahitalavitra iray ho an’ny CEG Ivohitra izay fanomezana avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.

Tsipihina fa nahazo fahitalavitra 43 ny fiadidiam-pampianarana manerana an’i Vakinankaratra.

Taorian’ny CEG Ivohitra, nahazo ny anjarany tamin’ny alalan’ny lehiben’ny Cisco Antsirabe,  Rasoamahefa Henri, ny CEG telo sy EPP dimy. Notolorana ny anjarany koa ny fari-piadidiam-pampianarana fito ao Vakinankaratra.

Jeannot Ratsimbazafy

Les commentaires sont fermées.