Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nitondra valin-kafatra ho an’ny depiote : « Miasa ary mahita vokatra ny polisy », hoy ny kaomisera Lié

Nitondra valin-kafatra ho an’ny depiote : « Miasa ary mahita vokatra ny polisy », hoy ny kaomisera Lié

Manoloana ny fanakianana mavaivay nataon’ireo vondron’ny solombavambahoaka momba ny tsy fandriampahalemana miseholany ao Toamasina, nitondra valin-kafatra ho azy ireo ny talem-paritry ny filaminana anatiny, ny kaomisera Lié nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly, tao amin’ny birao fiasany notronin’ny Kaomisera Razafindahy Manitra, kaomandin’ny Fip ao Toamasina. “Miasa ny polisy ary efa maro ny zava-bitan’ny polisy indrindra ny nahavotra velona an’i Arnaud ary nahasambotra jiolahy betsaka indrindra tamin’ireny raharaha fakana an-keriny ireny, raha tsy hilaza afa-tsy izay ihany aloha”, hoy izy. Niaiky izy fa mirongatra ny asan-jiolahy ao Toamasina amin’izao fotoana izao satria misy antony maro mahatonga izany, araka ny fanazavany hatrany. “Isan’izany, ny fivoahan’ireo voafonja nahazo famotsoran-keloka faobe avy amin’ny filoham-pirenena. Maro koa ireo mpanendaka sy mpangarom-paosy voasambotra nialoha ny faran’ny taona, saingy efa tafavoaka ny fonja izy ireny”, hoy hatrany ny Kaomisera divizionera Lié.

Nohamafisin’ity manamboninahitra ambony eo anivon’ny polisim-pirenana ity hatrany fa mbola mamerina ny asa ratsiny ireo tafavoaka ny fonja.

Fantatra, nandritra ny fanadihadiana fa efa mahatratra dimy ireo olona voasambotry ny polisy izay voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ilay fanampahana tanan’olona teny ambony môtô.

Jean Claude sy Sajo

Les commentaires sont fermées.