Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpamongady : tsy mahazo manome entana ny mpivarotra amoron-dalana intsony

Mpamongady : tsy mahazo manome entana ny mpivarotra amoron-dalana intsony

Hanomboka ny fanisana ny mpivarotra ara-dalàna eto Antananarivo Renivohitra miaraka amin’ny kaominina. Manatona ny lehiben’ny tsena tsirairay ny mpivarotra maka ny antontan-taratasy rehetra ilaina ary mameno izany ara-potoana. Ho an’ireo vonona hiditra amin’ny sehatra ara-dalàna, hahazo karatra izy ireo aorian’ny fanaterana ny antontan-taratasy fanamarinana. Hozaraina manomboka amin’ny volana marsa ny karatra. 15 000 Ar ny vola aloan’ny mpivarotra isan-taona ho an’ny karatra. « Hanana ny isa marina momba ny mpivarotra ara-dalàna amin’izay ny kaominina satria mpivarotra tany anaty tsena daholo ihany ny ankamaroan’ireo mivoaka ety an-dalambe », hoy ny tomponandraikitra.

Rehefa azo ny karatra, ireo manana izany ihany no mahazo mividy entana eny amin’ny mpamongady. Nisy ny fihaonana tamin’ireo mpamongady entana sy tomponandraikitry ny kaominina sy ny préfecture de police eto Antananarivo, omaly, teo amin’ny Lapan’ny Tanàna, Analakely. Nentanina ireo mpamongady tsy hanome entana intsony ny mpivarotra amoron-dalana satria manelingelina ny fifamoivoizana. Rehefa tsy misy ny entana hamidy, foana ho azy ny mpivarotra amoron-dalana. Tsy nisy fifanarahana an-tsoratra fa fifanekena am-bava no nataon’ny roa tonta. Nanambara ireo mpamongady fa mitady tombom-barotra toy ny asa varotra izy ireo ka tsy tokony hoferana amin’ny mpanjifa tonga maka entana. Rehefa nohazavaina amin’izy ireo ny olana ateraky ny korontana sy loto entin’ny mpivarotra amoron-dalana, resy lahatra ihany ny mpamongady. Tanjon’ny kaominina, hahazo karatra avokoa ny mpivarotra ara-dalàna hatramin’ny faran’ny volana marsa ho avy izao.

Omaly, hita fa niverina indray ny mpivarotra amoron-dalana teny Analakely sy ny manodidina.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.