Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indostria : tohanana ny tanora mpandraharaha

Indostria : tohanana ny tanora mpandraharaha

Noderain’ny filoha Rajaonarimampianina ny finiavan’ny mpitantana ny orinasa Gasyplast, hampiasa vola eto an-tanindrazana, omaly, teny Ambohimalaza. Fantatra fa hisy tahiry manokana atokan’ny fanjakana hanohanana sy hanampiana ny tetikasa volavolain’ny mpianatra avy nahavita fianarana.

Ho an’ny orinasa Gasyplast, tena ifantohany ny famokarana harona miendrika plastika, nefa natao avy amin’ny vovo-mangahazo. Izany hoe, sokajina ao anatin’ny vokatra tsy manimba ny tontolo iainana. Nilaza ny filoha tale jeneraliny, Raherimanjato Ny Riana Nampoina, fa ampy tsara ny vokatra satria mamokatra harona 360 t isan-taona ity orinasa ity, raha 15 t/taona ny filàn’i Madagasikara amin’ny harona plastika, mifanahatsahana aminy. Koa, azo hatao tsara ny manondrana any ivelany, hampidi-bola vahiny ho an’i Madagasikara indray avy eo.

Ho an’ny minisitry ny Indostria, Rafidimanana Narson, fanehoana ny fanohanana ny sehatra tsy miankina ny fitsidihany ny orinasa indostrialy malagasy toy izao.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.