Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

 BNI : omena vahana ny mpifankatia

Mikarakara hetsika manokana ny masoivoho vaovao an’ny banky BNI Madagasikara eny amin’ny tranombarotra Akoor Digue, amin’izao andron’ny mpifankatia izao. Anio 13 febroary, hisy ny « tombola Saint Valentin »,  hahazoan’ireo tsara vintana, mividy entana avy hatrany ao amin’ny Galerie Akoor. Fotoana ahafahan’ny besinimaro mahafantatra bebe kokoa ity tranombarotra vao nisokatra eny amin’ny vahilava Route Digue ity sy ny banky BNI.

Ahitana taratasy fandraisan’anjara eny amin’ny masoivohon’ny BNI rehetra ary hatao anio amin’ny 5 ora hariva ny fisarihana ny tombola.

Manamafy izany, miara-miombon’antoka ity banky ity sy ny tranombarotra Akoor Digue.

Tanjonay ny fanakaikezana akaiky kokoa hatrany ny mpanjifa”, hoy Rahanetra Lucka, avy amin’ny Akoor Digue.

M.C

Les commentaires sont fermées.