Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andravoahangy : lehilahy maty notifirin’ny mpanendaka

Mitifitra ary mamono ny mpanendaka ary aza sendra azy ireo. Teny Andravoahangy, lehilahy iray hiantsena, maty notifirin’ny mpanendaka, omaly maraina.  Manodidina ny 30 taona  eo izy io, ary maty tsy tra-drano vokatry ny tifitra nahazo azy. Teo ambodin’i Mascar izy no nosakanan’ny jiolahy. Nanohitra izy io nanoloana izany, saingy tsy nampoiziny ny fisian’ny basy tany amin’ireo olon-dratsy. Ny feom-basy nipoaka no nanaitra ny olona rehetra teny an-toerana. Nitsoaka ireo mpitifitra raha vao nitangorona ny olona. Lasan’ireo jiolahy tany ny vola sy ny entana tany amin’ilay lehilahy. Voa teo amin’ny lohany mihitsy ity farany, araka ny fanazavan’ny olona teny an-toerana.

Araka ny fanazavan’ny polisy, tsy mbola nisy fampilazan’ny fianakaviana voarain’ny polisy momba ity lehilahy nisy nitifitra ity. Tokony ho tamin’ny 4 ora maraina tany ho any koa no niseho ilay fanafihana ka tsy nisy olona nanatri-maso ny zava-niseho . « Polisy sendra nandalo teny Andravoahangy no nitantaran’ny olona an’io vaovao io vao naheno izahay », hoy ny lehiben’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahatelo. Nohamafisiny fa efa naterina tany amin’ny hopitaly ny razana. Mandeha ny fanadihadiana momba ity asan-jiolahy ity.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.