Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina : nampahafantarina ny vahoaka ny CHU-Morafeno

Nanatanteraka varavarana misokatra, nandritra ny roa andro (4- 5 febroary lasa teo) ireo mpitantana eo anivon’ny hopitaly manara-penitra etsy Morafeno. Efa notolorana anarana vaovao hoe “Centre hospitalier universitaire de Morafeno” izy, hoy ny mpikambana anivon’ny komity manomana ny hetsika tarihin’ny talen’ny hopitaly, ny profesora Ralandison Stephane. Tanjona ny nampahafantatra ny tolotra misy anivon’ ity toeram-pitsaboana sy hifanakalozana traikefa amin’ny mpitsabo miasa anivon’ny toeram-pitsaboana eto Toamasina sy avy any Antananarivo. Ao ny tolotra vaovao na koa fomba fitsaboana vaovao sy ireo mpitsabo teknisianina miasa anivon’ ity toeram-pitsaboana naorin’ny fitondrana Tetezamita tamin’ny tanin’ny Magro ity. Efa tonga amin’ ity hopitaly ity ny fitaovana fitsaboana fo sy fitarafana aretina amin’ny “scaner”, araka ny nambaran’ ireo mpitsabo. Ahitana ny fandidiana amin’ny taova samihafa na ireo olona marary tsy mahatsiaro tena ka mila velomina ao amin’ny efitrano famerenana aina “réanimation” .

Nandosiran’ny olona ity toerana ity teo aloha izay somary nalaza fa tsy tafavoaka velona izay tonga ao. Vao iray volana niasana voalohany, efatra ny faty nivoaka tamin’ ity hopitaly ity, izy rahateo, tsy misy tranom-paty. Tsy izay ihany fa somary misimisy ny vola alaina amin’ny marary na ny mpitondra marary.  Noho ireo rehetra ireo, tsy nazoto loatra ny mpitondra marary nanatona ity hopitaly ity, ka fomba iray ihany koa hamerenana ny fitokisan’ny mpitondra marary ny ekipa vaovao ny varavarana nisokatra nandritra ny roa andro izao.

Sajo

Les commentaires sont fermées.