Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Telma : tolotra manokana ho an’ny mpifankatia

Tsy avelan’ny Telma handalo fotsiny ny fetin’ny mpifankatia ny 14 febroary. Hisy tolotra manokana homena ny mpanjifa, azo atao fanomezana tsara. Finday karazany roa, X 034, amidy 24.000 Ar, raha vidiana amin’ny alalan’ny M’Vola ary 29.000 Ar raha tolobotsotra. Ankoatra ny tolotra mahazatra ao aminy, mampiavaka azy ny fahafahana manao Facebook messenger, ahazoana miresaka mivantana, manana tanjaka 4 Go rehefa asiana karatra SD.

Fanomezana faharoa, ny finday avo lenta ecran tactile 5 pouces, manana tanjaka 8 Go azo hitarina hatrany amin’ny 32 Go. Misy ny facebook messenger, miampy fakana sarimihetsika camera frontale 2 MPx sy fakan-tsary 8MPx. Amidy 164.000 Ar, rehefa vidiana amin’ny M’Vola, vidiny ambany miohatra amin’ny vokatra hafa.

Porofo hanehoan’ny Telma, fa sangany eo amin’ny tontolon’ny fifandraisan-davitra sy ny serasera ity orinasa ity, ary tsy eto Madagsikara ihany fa aty anivon’ny ranomasimbe Indianina toy ny atsy Mayotte, ohatra.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.