
Manana tetibola manokana ny minisiteran’ny Asa vaventy hanarenana ny lalam-pirenena tapaka, vokatry ny loza voajanahary. Tsy voaray ara-potoana kosa ny hetra hikojakojana ny lalana (Fer).
Tapaka vokatry ny orambe nikija ny lalam-pirenena fahefatra (RN 4) sy fahenina (RN 6). Nilaza ny minisitry ny Asa vaventy, Ratsiraka Roland, omaly, fa efa misokatra ireo lalana ireo, nanomboka ny alatsinainy 8 febroary teo. “Tara kely iray andro io fotoana io satria fe-potoana nomenay ny 7 febroary”, hoy izy. Anisan’ny asa goavana natao ny fametrahana tetezam-by vonjimaika (Pont Bailey) mirefy 9 m sy 18 m any amin’ny RN 6. Notsoriny fa nahasimba ny tetezana ny fangalaran’ny olona ny vy amin’izy ireny.
Manana tetibola manokana hiatrehana ny fanarenana ny lalana sy ny tetezana tapaka vokatry ny loza voajanahary ny minisitera, manodidina ny 1,5 tapitrsa euros. Mbola haharitra telo volana ny fanarenana ny simba ary mahatratra dimy ny toerana harenina amin’ny RN 4 raha 15 amin’ny RN 6.
Novalin’ny minisitra ny Vondrona eoropeanina
Nasian’ny minisitra teny koa ilay fanamarihan’ny solontenan’ny Vondrona eoropeanina (UE) fa tsy mahafa-po 100% ny fanamboaran-dalana eto Madagasikara. Nambarany fa mahatonga izany, tsy azo ara-potoana ny vola avy amin’ny Hetra tokana avy amin’ny vokatra ara-tsolika (TUPP), avy amin’ny orinasa mpaninjara solika, hamatsiany ny Tahirim-bola hikojakojana ny lalana (Fer).
Njaka Andriantefiarinesy
Les commentaires sont fermées.