Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kempo : hizara ny fahaizany ary hampiofana Rakotonindrina Parfait

Tafiditra ao anatin’ny fanapariahana ny taranja haiady kempo ny fikambanana PFC Kempo / DA, tarihin’ny filohany Rakotonindrina Parfait, amin’izao fotoana izao.

Araka izany, hanome fiofanana ary hizara ny traikefany eo amin’ity taranja vao nampidirina teto Madagasikara ity ny filohan’ny PFC Kempo / DA, ny 20 sy 21 febroary izao, etsy Mahamasina, sous-gradins.

Raha ny fandaharam-potoana amin’izany indray, hizara efatra miavaka tsara ny fampiofanana. Ny hanombohana ny fampianarana ny an’ny mpitsara sy ireo mpanazatra na/sy mpampianatra ireo mpikatroka. Manaraka izany ny fampiofanana ny kempo knockdown. Eo ihany koa ny full kempo sy ny kempo MMA (Mixed martial art). Samy hahazo ny tandrify azy avokoa ireo mpiofana amin’ity indray mitoraka ity.

Ankoatra izay, voalaza fa sambany ity fiofanana tarihin-dRakotonirina Parfait ity. Tanjon’ny fikambanana PFC Kempo / DA kosa ny hampiroborobo hatrany ny taranja kempo, izay misy taranja maromaro miaraka aminy.

Etsy andaniny, tafiditra sahady amin’ny fanomanana ilay “Gala international” hifanandrinan’i Madagasikara sy La Réunion eto amintsika ny fiofanana etsy Mahamasina.

Tsiahivina fa hitily ireo mpikatroka handrafitra ny ekipam-pirenena amin’io fifaninanana iraisam-pirenena io koa ireo mpitanana, ato ho ato, ka hiroso amin’ny fampivondronana azy ireo izy ireo manomboka ny 27 febroary izao.

M.N.

Les commentaires sont fermées.