Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

 Haody : fetin’ny mpifankatia, hono !

… Mety ho tena izy ihany koa anefa fa tsy « hono ». Tsy nankalaza na nanamarika azy io ny Malagasy, saingy efa nezahina sy novoizina mafy dia toa manomboka mahazo laka, etsy sy eroa. Azo itadiavam-bola rahateo izy io raha eo amin’ny tontolon’ny kolontsaina. Fampisehoana, hidiram-bola. Fifanolorana fanomezana, hialam-bola… Endrika ivelany ahafahana mitaratra ihany koa ny ao anaty ireny.

Ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy mihitsy no niaina tao anatin’ny fitiavana. Tsy nila vanim-potoana na andro manokana. Samy manana ny fombany, samy manana ny fanaony fa ny mahasoa, iraisana ny fikatsahana azy… Sady ny soa fianatra fa ny ratsy fanary. Iza anefa no hanary ny azy ?

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.