Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiaraha-miasa : hanampy ny CUA amin’ny fitakina hetra i Frantsa

Fiaraha-miasa : hanampy ny CUA amin’ny fitakina hetra i Frantsa

 Noraisin’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ravalomanana Lalao, tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely, omaly, ny ambasadaoron’i Frantsa, Vouland-Aneini. Nivoitra tamin’ny dinikasa ny fampananten’i Frantsa handefa manampahaizana sy matihanina hanampy ny tekinisianin’ny kaominina (CUA) amin’ny fitakiana ny hetra ary fanampiana amin’ny fandrindram-piterahana sy ny fikarakarana ny zaza.

Teo koa ny nanaovana tombana ny efa vita eo amin’ny fiaraha-miasa sy ny mbola hatao. Anisan’izany ny fanamboarana ny fotodrafitrasa  eny anivon’ny boriborintany, toy ny làlan-kely, trano fidiovana, toerana fanasan-damba, fanitarana ireo trano sekoly, ny fikarakarana sy fanitarana ireo kianja fanatanjahantena  ary ireo fotodrafitrasa momba ny fitaterana.

Tsy vitan’izany. Nampanantena handefa manampahaizana sy matihanina hanampy ny teknisianin’ny kaominina (CUA) amin’ny fitakiana ny hetra ary  fanampiana amin’ny fandrindram-piterahana sy ny fikarakarana ny zaza ry zareo frantsay.

Hitohy amin’ny fihaonana, afaka iray volana eo, izany, hijerena sy hanarahana maso ny asa vita.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.