Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fenoarivo Atsinanana : jiolahy tratra nisandoka ho zandary

Fenoarivo Atsinanana : jiolahy tratra nisandoka ho zandary

Tratran’ny zandary tao Fenoarivo Atsinanana, afakomaly ny jiolahy raindahiny antsoina hoe Rasoanirina Richard, 53 taona izay nisandoka ho zandary. Maro ny raharaha anenjehana azy ankoatra ny fisandohany ho zandary, isan’izany ny fisandohana sy fampiasana kara-panondrom-pirenena malagasy, hosoka, fanaovana fikambanan-jiolahy mitam-piadiana. Voalazan’ny loharanom-baovao hatrany fa zanaka sefom-pokontany ao Anjoma Fenoarivo Atsinanana izy, saingy efa maty ny rainy ka izao lasa mpisoloky sy mpisandoka izao izy. Araka ny fanazavan’ny zandary, isan’ny tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana miharo fandoroana trano sy fiara 4×4 tao Ambohibe Vavatenina, ny asabotsy alina teo ity jiolahy ity. « Teo am-pikasana hisoloky volabe amina mpitandrina iray ao Anjoma Fenoarivo Atsinanana izy, ny talata teo no tratra tampoka satria efa nahazo angom-baovao mialoha ny zandary momba ny fisian’ity jiolahy ity », hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao amin’ny Faritra Analanjirofo, ny Kly Razafindramiaraka Chateaubriand Florento. Mbola tratra teny aminy ny kara-panondro hosoka fampiasany.

Fantatra tamin’ny famotorana azy fa efa tena zandary izy taloha, saingy efa voaroaka.

Nirongatra, tato ho ato, ireo andian’olona misandoka ho zandary. Tsy aleo miandry fifaninanana raha te hiditra ao amin’ny fianakaviamben’ny zandarimariam-pirenena.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.