Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Nihaona tamin’ny Praiminisitra Ravelonarivo, afakomaly teny Mahazoarivo, sy ny minisitry ny Fiarovana, ny Jly Rakotozafy Dominique ireo manamboninahitra amerikanina, tarihin’ny amiraly Johnson. Nivoitra tamin’izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa, indrindra eo amin ny fiarovana sy ny fandriampahalemana.

 

Nolanin’ireo loholona 49 amin’ireo 60 tonga niatrika ny fivoriana ny fitsipika anatiny eo anivon’ny Antenimierandoholona, omaly tetsy Anosikely. Nivoitra tamin’izany fa hatao enina ireo filoha lefitra ary fahafito ny filoha lefitra ho an’ny mpanohitra. Eo koa ny fametrahana vaomiera fito. Samy hatao roa avy kosa ny kestora sy ny mpampaka-teny.

Les commentaires sont fermées.