Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety – Coupe du Président : hangotraka ny ampahefa-dalana rehetra

Basikety – Coupe du Président : hangotraka ny ampahefa-dalana rehetra

Hiditra amin’ny ampahefa-dalana anio ny “Coupe du Président”. Saika tafita hiatrika izany avokoa ireo ekipa goavana nifaninana tamin’ireo Zone Nord sy Zone Centre. Hangotraka, araka izany, ny fihaonana rehetra.

Tonga amin’ny tsontsori-mamba hisarahana. Hiditra amin’ny ampahefa-dalana, anio, ny fiadiana ny « Coupe du Président », taranja basikety, amin’ireo Zones roa, Nord any Antsiranana sy Centre any Toamasina. Fifaninanana eo ambany fiahian’ny filohan’ny Repoblika, Rajaonarimampianina Hery, ary karakarain’ny federasiona malagasy (FMBB).

Ho an’ny Zone Nord, mitarika ao amin’ny vondrona « A », ny Sporting (Diana), izay tsy mbola resy mihitsy, arahin’ny Chicago (Diana) eo amin’ny laharana faharoa. Fahatelo ny FBI (Sava) ary fahefatra kosa ny ASCP (Diana).

Eo amin’ny vondrona “B” indray, mitana ny lohany ny SBBC (Boeny) arahin’ny Cosmos (Diana) sy ny ABBS (Sava) ary ny DCA (Diana).

Ho an’ny Zone Centre indray, mitarika eo amin’ny vondrona “A” ny 3FB (Atsinanana). Mitana ny laharana faharoa manaraka azy ny Lucadro (Analamanga) arahin’ny AMBB (Analamanga) sy AS Fanalamanga (Alaotra Mangoro), eo amin’ny laharana fahatelo sy fahefatra.

Eo amin’ny vondrona « B », mitana ny lohany ny Challenger (Analamanga) arahin’ny AS St-Pierre (Alaotra Mangoro) sy ny Ascut II (Atsinanana) ary ny Ankarana (Analamanga).

Miary Narindra

Ny fandaharan-dalao

Zone Nord:

  • Sporting (Diana) # DCA (Diana)
  • Cosmos (Diana) # FBI (Sava)
  • SBBC (Boeny) # ASCP (Diana)
  • Chicago (Diana) # ABBS (Sava)

Zone Centre:

  • Challenger (Analamanga) # AS Fanalamanga (Alaotra Mangoro)
  • AMBB (Analamanga) # AS St-Pierre (Alaotra Mangoro)
  • 3FB (Atsinanana) # Ankarana (Analamanga)
  • Ascut II (Atsinanana) # Lucadro (Analamanga)

Les commentaires sont fermées.