Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Atam : manentana hiverina ambanivohitra ny fikambanana

Atam : manentana hiverina ambanivohitra ny fikambanana

Nijoro any amin’ny faritra Analamanga, ny taona 2013 ny fikambanana Andrin’ny tanàna mandroso (Atam). Manana sampana eto Vakinankaratra izy ankehitriny, ao amin’ny fokontany Mahazina, hifantoka amin’ny fampandrosoana eny ambanivohitra. Nanentana ny tanora, ny vehivavy an-tanàn-dehibe ny filohany, Rtoa Rasoamampionona Lily, hiverina ifotony eny ambanivohitra, indrindra ireo tsy anasa. Teny filamatry ny fikambanana ny hoe: “Ny fahaiza-manao ny tsara, miantso fahatsorana”.

Notsipihiny fa tsy manao politika ny Atam. Afaka manome fiofanana maimaimpoana amin’ny lafiny fiompiana sy ny fambolena. Tsiahivina fa tena nahafantarana an-dRtoa Rasoamampionona Lily ny lafiny fanatanjahantena môtô sy ny fiarakodia. Niova filamatra izy ankehitriny, nitodika amin’ny fampandrosoana ny tanora sy ny vehivavy.

Jeannot Ratsimbazafy

Les commentaires sont fermées.