Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

11 febroary : notsaroana koa ireo zandary maty 

Tsy nandalo fotsiny. Natao hahatsiarovana ireo zandary lavo am-perinasa koa ny omaly 11 febroary, nanamarihana ny faha-41 taona namonoan’ny sasany ny Kly Ratsimandrava Richard. « Nanomboka tamin’io fotoana io ny namonoana ny zandary sy nanaovan’izy ireo  sorona ny ainy. Anisan’izany ireo 16 lavo tamin’ny taon-dasa sy tamin’ity taona ity », hoy ny komandin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Rakoto François Rodin, tetsy amin’ny tsangambaton-dRatsimandrava, Ambohijatovo Ambony.

Nentina am-bavaka izany sady nametrahana fehezam-boninkazo koa teny an-toerana. Teo koa ny minisitry ny Fiarovana sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena. Manampy ireo ny andiany fahatelo avy amin’ny Akademia miaramila Antsirabe, nahin’ny Kly Ratsimandrava.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.