Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra 

Tra-tehaka teo am-pivarotana rongony ny lehilahy iray, 30 taona, nahatrarana fonosan-drongony miisa 55 tany aminy. Tamin’ny fanadihadihana natao azy, nilaza izy fa tsy mahafantatra ny toerana ividianana ireo rongony ireo fa ny vadiny no mitondra vola 20.000 Ar mivoaka ny trano ka mitondra ny entana avy any. Amidy 500 Ar ny iray fonosana, 20 fonosana isan’andro no laniny. Dimy taona nanaovany io asa ratsy io. Voalazany fa mivarotra fotsiny izy fa tsy mihinana.

Dahalo miisa 34 nirongo basy nanafika tany Antsarika Amboasary Atsimo, afakomaly tamin’ny 6 ora maraina. Nisy nanao akanjo mitovy ny an’ireo fokonolona mivondrona amin’ny hoe KTS ireo dahalo. Omby 40 lasan’ireo dahalo tamin’izany. Raikitra ny fanarahan-dia ka nifandona tany amin’ny distrikan’i Betroka ny dahalo sy ny zandary ary ny fokonolona. Dahalo efatra maty tamin’izany, fokonolona roa naratra.

Les commentaires sont fermées.