Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Minisitra Stéphane Le Foll : hanampy ny oniversite GSI amin’ny fiofanana

Hanampy ny oniversite GSI ny minisitry ny Fambolena frantsay, Stéphane Le Foll, eo amin’ny fanokafana toeram-piofanana momba ny « agroalimentaire » sy « produits biologiques », izay hisokatra tsy ho ela eto amintsika, araka ny fanazavan’ny filohan’ny oniversite GSI, Andrianaivo Geromioh. Amin’ity taona ity no hanatanterahana ny fifanarahana eo amin’ny roa tonta. Efa nanalalana tany Frantsa rahateo ity filoha ity ny volana desambra lasa teo nandritra ny fihaonambe Open Agri Food Business natao tany an-toerana. Tamin’izany no nihaonany tamin’ny minisitra frantsay Stéphane Le Foll ka nankasitrahan’ity farany ny fiaraha miasa eo aminy sy ny oniversite GSI.

Hisokatra rahateo ny Master Pro manaraka ny lalam-piofanana LMD ao amin’ity toeram-piofanana ambony ity. “Ahitana ireo fiofanana mamaly ny tsenan’asa ankehitriny izany, ary manampy ny tanora amin’ny fahitany asa avy hatrany. Eo ihany koa ny fisokafan’ny oniversite amin’ny any ivelany”, hoy ny fanazavana.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.