Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Filankevitry ny governemanta : nosokajina sy nofaritana indray ny fokontany

Anisan’ny nivoitra teo anivon’ny filankevitry ny governemanta, natao teny Mahazoarivo afakomaly, ny firafitry ny fokontany sy ny famaritana azy ary koa ny andraikiny. Misongadina amin’izany ny momba ireo fokontany eto Antananarivo Renivohitra. Eo ambany fiahian’ny distrika izy ireo ka ahitana ny sefo fokontany, ny sefo fokontany lefitra hisahana ny fitantanan-draharaham-panjakana ankapobeny sy ny filaminana ary fandriampahalemana. Hiandraikitra ny fampandrosoana sy ny raharaha ara-toekarena kosa ny lefitra faharoa. Manampy azy ireo, ny sekretera iray.

Ho an’ny fokontany eny anivon’ny kaominina ambanivohitra kosa, misokajy ho voalohany sy faharoa izy ireo. Ahitana sefo fokontany iray sy sefo fokontany lefitra ary mpitantsoratra.

Na eo aza anefa izany, anisan’ny mbola olana iainan’ny ankamaroan’ny eny anivon’ny fokontany ny tsy nandraisan’ireo sefo fokontany ny tambin-karamany efa ho 10 volana. Hitondra vahaolana ho azy ireo ve ity notapahin’ny filankevitry ny governemanta ity ?

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.