Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampianarana teny anglisy : nohavaozina ny boky ho an’ny 2nde 

 Voavolavola ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny teny anglisy amin’ny kilasy 2nde. Vokatry ny asa fanavaozana ny fampianarana ny teny anglisy eny amin’ny lycée no nahazoana ny vokatra  tao anatin’ny 10 volana. Nitondra ny traikefany tamin’ny fanavaozana ny manampahaizana amerikanina momba ny teny angilsy, Erik Lundell. Niara-niasa amin’ny teknisianin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny mpampianatra eny amin’ny oniversite ny tenany. Nojerena manokana ny votoatin’ny lesona sy ny fomba mety indrindra hampitana ny teny anglisy nefa tsy manalavitra ny zava-misy eto amintsika. Nidina teny ifotony nanontany ny mpampianatra, mpianatra ny teknisianina handrafetana ny fandaharam-pianarana vaovao. « Nandray anjara amin’ny fakan-kevitra avokoa ny mpampianatra eny amin’ny  lycée tantanin’ny fanjakana sy ny tsy miankina », araka ny fanazavan’ny talen’ny fikarohana pedagojika ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, Razafindrabe Voahirana.

« Manana fahaizana azo trandrahana tsara ny mpianatra malagasy ary nahitako zavatra betsaka ny niara-niasa tamin’izy ireo », hoy ity manampahaizana amerikanina ity. Tenim-pirenena ilaina amin’ny fivelarana ny teny anglisy. « Tafiditra amin’ny tonton’ny fanabeazana mihitsy ny fianarana azy. Tsy amin’ny tanàn-dehibe fotsiny fa mivelatra amin’ny toerana ambanivohitra miaraka amin’ny mpilatsaka an-tsitrapon’ny corps de la paix amerikanina », hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Rabary Paul, omaly.

Handao an’i Madagasikara i Erik Lundell rehefa nijanona 10 volana nanavao ny fampianarana ny teny anglisy eny amin’ny lycée.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.