Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Faritra Boeny : namboly zana-kazo 13.000

Faritra Boeny : namboly zana-kazo 13.000

Nosantarina tany amin’ny ala Marohogo any amin’ny kaominina Belobaka, distrika Mahajanga II, ny fambolen-kazo 2016. Nahatratra 13.000 ny zana-kazo novolena, ahitana ananambo, acacia ary kininina, tamina velaran-tany 10 ha. Sahaza ny toe-tany sy toetr’andro any an-toerana tsara ireo karazan-kazo telo ireo, sady afaka miteraka harena mampidi-bola ara-toekarena.

Nambaran’ny talem-paritry ny Tontolo iainana any Mahajanga, Rtoa Rakotoarimanana Josette, fa hany afaka mampiato ny tsy fifandanjan’ny toetr’andro ny ala. Izay ny antony andraisan’ny rehetra anjara andraikitra amin’ny famerenana ny ala.

20 ha ny tanjona

Ho an’ny talen’ny fampandrosoana ao amin’ny faritra Boeny, Johanesa Fernand, nisolo tena sy nampita ny lehiben’ny faritra, Saïd Ahamad Jaffar, na eo aza ny fambolen-kazo, manan-danja kokoa ny fiarovana ny ala sisa tavela.

Lohahevitra noraisina tamin’ity fotoana ity ny hoe “fototry ny fampandrosoana maharitra ny fambolen-kazo, sady lova ho an’ny taranaka any aoriana”.

Tanjona amin’ity natao tany Boeny ity ny hambolena ao anaty velaran-tany 20 ha amin’ity taona ity, araka ny fanazavan’ny talem-paritry ny Tontolo iainana sy ny ala.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.