Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Miaramila malagasy : niofana tamin’ny Cutlass express 2016

Miaramila malagasy : niofana tamin’ny Cutlass express 2016

Niofana tao amin’ny fandaharan’asa Cutlass express 2016 ireo miaramila malagasy an-dranomasina, mpampiasa ny RC Trozona. Vita ny faran’ny herinandro teo ity karazana fanazarantena nokarakarain’ny Forces navales des USA en Europe-Afrique ity, izay ahitana firenena 18 mandray anjara amin’izany, ka anisan’izany ny miaramila malagasy. Fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny lafiny fifanakalozam-baovao, fiarovana ny ranomasina sy ny asa ratsy manodidina izany.

Efa tafaverina tany Antsiranana, ny faran’ny herinandro teo, ny RC Trozona notarihin’ny vice Amiral Rakotoarison  Herinirina. Tany amin’ny Nosy Seychelles no nanaovana ny fanazarantena sy fampivodronana ireo miaramila avy amin’ny firenena maro nandray anjara. Mbola handray anjara amin’ny Cutlass express 2017 ny miaramila malagasy raha ny faniriany. Fisokafana amin’ireo firenena any ivelany ny raharaha toy izao, ary endriky ny fiaraha-miasa.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.