Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Analakely : nampitandrina ireo mpivarotra amoron-dalana ny Jly Florens

Analakely : nampitandrina ireo mpivarotra amoron-dalana ny Jly Florens

Hentitra ny jeneraly Florens, omaly, nanoloana ireo mpitarika ny hetsik’ireo mpivarotra amoron-dalana fa tsy hitsitsy intsony ny Emmo/Reg, anio, manoloana ireo mpanohintohina ny filaminam-bahoaka sy ny mpanelingelina ny fifamoivoizana. Milaza hiroso amin’ny fisamborana sy ny fanaparitahana amin’izay izy ireo, raha mbola manao ny ataony ireo mpivarotra amoron-dalana. Ireto farany, nanohy ny hetsika fanaony amin’ny fitakiana ny vahaolana sy ny tsy fanalana azy hivarotra eny amoron-dalana omaly. Nitsoka kiririoka sy nifampitarika ireo olona ireo nanoloana ny lapan’ny Tanàna, nitabataba sy nihorakoraka. Tonga teny an-toerana ny Emmo/Reg niandry ny mety ho fihoaram-pefy, ary izao niafara tamin’ny fampitandremana izao.
Nisy ihany koa ny andian’olona nandroba fiarana mpivarotra iray teny Behoririka, omaly io ihany. Fiara naka entana teny amin’ny Sinoa, ka nohararaotin’ireo olon-dratsy nalaina ireo entana raha vao nisy ny sahotaka kely. Nisy ireo mpivarotra amoron-dalana nitsoaka ireo mpitandro filaminana sy mpiasan’ny kaominina nandalo ka izay no nakan’ireo andian’olona ireo ny entana, mitentina 600.000 Ar. Nametraka fitarainana ireo mpivarotra naka entana.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.